Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana

Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva.

Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antanana­rivo hihazo an’i Toa­masina izy tamin’io.
“Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i Sajo, anisan’ireo mpandeha tao anaty ny fiara. Nosorana sy nafanaina tamin’ny baume mafana ny ratsam-batan’ilay mpamily. Nasaina nentin’ny mpandeha iray ny fiara avy eo mba hitadiavana mpitsabo. Fiakaran’ny tosidra ny antony nahatonga ny aretiny, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy mbola naka aina mihitsy ity mpamily ity, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana fa tsy maintsy mandeha manenjika asa ary tsy maintsy manao dona miverina.

Mpamily hafa maty tampoka

Tsiahivina fa ny talata 6 avrily lasa teo, mpamily iray no maty tampoka tao alohan’ny fiara nentiny tany Ampa­simazava Toamasina. Naka rivotra sy nanararaotra natory ity farany, tamin’ny fotoana nampidirana entana tao anatin’io kamiao io. Rehefa vita ny fampidirana entana, nofohazina ilay mpamily, nefa efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony no hita. Naharitra adiny roa ora sy sasany ny fampidirana ireo entana ary heverina efa maty efa ora maro ity farany. Raha ny fantatra, saika hanao dona miverina hiakatra aty Antananarivo ity fiarabe mpitatitra io. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Efa nampiakarina aty Antaninarivo ny razana taorian’ny fikarakarana rehetra. Maty vokatry ny fiakaran’ny tosidra tampoka, noho ny harerahana diso tafahoatra, ity mpamily ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Mirongatra ny fiakaran’ny tosidra noho ny harerahana loatra. Tsy misy fotoana hakana aina ny ankamaroan’ny mpamily. Antony mampiakatra ny tosidra ny tsy fahampian’ny torimaso nefa tia misotro kafe na mitsako Cola be loatra.

Mino/Sajo

Partager sur: