Lehilahy iray 50 taona teo ho eo, namoy ny ainy, voadona sy voahitsaky ny fiara taxi-be iray mampitohy an’Itaosy sy Analakely, omaly tamin’ny 5 ora sy fahatelony maraina. Teo amin’ny lalana Anosimasina Itaosy, akaikin’ny Ocada hidina an’Ampasika no nisehoan’ny loza. Nandeha tamin’ ny sisin-dalana ity lasibatra ity no voafaokan’ny fiara. Nandriaka ny ra: vaky ny lohany, potika ny tarehiny. Mbola voatsindrin’ireo fefy tamin’ny sisin’ arabe ihany koa ity lehilahy ity ka nahatonga ny hamafin’ny loza, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, Ranitratsilo Jimmy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ny zandary sy ny polisy, ny kaominina ary ny vondrona mpamonjy voina. Naka ny razana sy nitondra izany tany amin’ny tranom-paty HJRA ny avy amin’ny BMH. Nitondra Tractopelle nahafahana nanainga ilay fiara sy nisikotra ny razana tao amban’ilay fiara ny kaominina teny an-toerana.
Efa nisy olana hatrany am-piandohana ity fiara ity kanefa mbola nentina niasa ihany. Efa saika tsy velona ilay fiara teny amin’ny Dalle Ampasika, raha ny nambaran’ny mpandeha iray tao anatin’io fiara io. Tapaka hisatra teny am-pandehanana ny antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nitsoaka ny mpamily sy ny mpanampy azy taorian’ny tranga ary nanatona ny mpitandro filaminana. Nentiny avokoa ny taratasy manamarina azy ireo. Tahotra ny fitsaram-bahoaka mety hitranga ny antony nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany. Raha ny tatitra voaray, efa natao andrimaso eny anivon’ny polisim-pirenena, omaly, ihany ny mpamilin’ny fiara.
Mino