Hamerina ireo hiran’i Bessa sy Lôla ry Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison. Hotontosaina rahampitso ity seho ity, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Saika ireo hira rehetra nahafantarana an’i Bessa sy Lôla no haverin’izy ireo amin’io, raha ny fanazavana. Nilaza rahateo i Mahery fa efa nangata-tsodrano tamin’ny tompon-kira, nandritra ny fandalovany tany Frantsa farany teo.
Solo Andrianasolo eny amin’ny Fara West Faravohitra. Anio amin’ny 8 ora alina ity seho ho an’ny mpankafy ny mozika jazz sy soul ary blues ity. Hiaraka amin’i Solo, mandritra izany, i Eric Rakotoary eo amin’ny gitara beso sy i Faly Rakotondranibe eo amin’ny amponga maroanaka. Fanaon’ireto mpanakanto ireto ny mitondra lavitra ireo mpankafy anaty mozika rehefa toy izao.
Handray ny “Festival Indie Indri” ny Alliance Française Andavamamba, rahampitso alahady. Hisy ny fizarana mozika hataon’i Mashmanjaka, Poety Rebely, The Revery, Vain’Af ary i Dee A lock, mandritra izany. Ankoatra ireo, natao hizarana ny mozika indianina amin’izao fotoana izao ihany koa io fotoana io.
Any Faratsiho ny tarika Rossy. Hisy ny seho goavana hotontosain’izy ireo rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Saint Paul. Anatin’ny fitetezam-paritry ny tarika ity seho ity, mialoha ilay fotoan-dehibe. Efa nampiomana ela ny mpankafy azy mantsy i Rossy amin’ny fiverenan’ny “Tapôlaka Glady”, ny 09 jona izao, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.