Manamafy ny fahatokisan’ny mpanjifa ny fananan’ny orinasa iray mari-pamantarana izay manan-kery amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niara-nientana ny mpiasa 800 nahazoana izany.
Nahazo ny « Certification ISO 9001-2015 » ny orinasa telo ao amin’ny groupe Viséo, avy amin’ny SGS Madagascar vokatry ny ezaka nataony hanatsarana ny kalitaon’ ny tolotra sy ny tontolo manodidina ao anatin’ny orinasa. Anisan’izany ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Mari-pamantarana momba ny fenitra amin’ny fitantanana manana ny kalitao sy mihavao hatrany no natolotra taorian’ny fanombanana nataon’ny « auditeurs ». Mitondra amin’ny fahatokisan’ny mpanjifa ny fahazoana azy eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny SGS aty amin’ny ranomasina Indianina, Razafindrakoto Lisiniaina, omaly, teny Andraharo.
Ny orinasa Continental Auto, ny Izy Rent ary ny Oceantrade et Cie, eo anivon’ny vondrona Viséo no nisitraka izany. « Niara-nisalahy ny mpiasa 800 mampihodina ny orinasa nahatrarana ny tanjona. Nisy ny fanofanana tsy maintsy natao miaraka amin’ny tantsoroka nampirisihina ny rehetra hiara-handroso, nanomboka ny taona 2023. Napetraka ho kolontsaina ny kalitao amin’ny asa rehetra”, hoy ny CEO ny vondrona, Moustafa Hiridjee.
Mivoatra hatrany ny teknolojia sy ny tontolo manodidina ka hanaraka izany ny fivoarana tsy tapaka eo anivon’ny orinasa sy ny mpiasa ka homena vahana ny fiahiana, fahadiovana…, araka ny fanazavany ihany.
Dingana voalohany ny fahazoana ny mari-pamantarana ary hitohy ny fihavaozana. Ny Vondrona no niantso ny SGS hanao tantsoroka azy ireo hahazoana izany. Porofo izao fa azo atao tsara ny manatratra ny kalitao sy ny fenitra eto Madagasikara rehefa tohanana ny ekipa.
Vonjy