Brickaville: Ravan’ny zandary ireo mpamotika ala

Saron’ny zandary ny herinandro teo, ireo jiolahy mpamotika ny ala arovana ao Andavakomena, kaominina ambanivohitra Andevoranto, distrika Bricakaville. Maro ireo mitaraina noho ny afitson’ireto tsy mataho-tody ireto, antony nandraisana ny fepetra. Nody ventiny ny rano natsakaina ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy mpanimba ny harem-pirenena, iray lakambe. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa taterin’izy ireo any Brickaville sy any Toamasina ireo hazo sarobidy ka amidiny. Natolotra avy hatrany ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny rano sy ala ireo hazo sarona raha hiatrika ny fampanoavana kosa ireo jiolahy.
Marihina fa sazian’ny lalàna ny famotehana ny harem-pirenena, izay anisan’ny misarika ny mpizahatany sy mampidi-bola ho fampandrosoana ny firenena. Ankehitriny, lasa nosy mena i Madagasikara, tsy misy afa-tsy 10% sisa ny ala misy eto an-toerana. Vokany, marefo amin’ireo karazana loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro isika izay mamotika ny fihariana sy ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa efa misy.

Sajo

Partager sur: