Fampandrosoana ny toekarena : Hamatsy vola ny TPME ny BNI sy ny FOM

Miara-dalana hanohana sy hamatsy ny orinasa tena madinika sy salantsalany (TPME) ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM), ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny toekarena maharitra eto Madagasikara.

Vita sonia ny zoma teo, tetsy Analakely, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM) ho an’ny famatsiam-bolan’ny orinasa tena madinika sy salantsalany (TPME). “Dingana vaovao ho fanorenana sy ho fampandrosoana ny toekarena maharitra eto Madagasikara izao fiaraha-miasa izao. Tanjona ny hitondra vahaolana ho fanitarana ny fampindramam-bola ny mpandraharaha madinika”, hoy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny BNI Madagacar, Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny lahateniny. Hana­mora ny fahazoana lalam-bola hampandroso sy hampitombo ny orinasa ny tohana atao. Misy ihany koa ny fanampiana ara-teknika ny TPME handrindrana sy ho an’ny fahaiza-mitantana ny vola hidramina. Kendrena ny hahazoana tombony sy hampiroborobo ny orinasany ary hampanara-dalana azy ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto an-toerana.

Toekarena
Miara-misalahy ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny Institution Financière Inter­nationale (IFC) hampindramam-bola ny BNI Madagascar entina hanohanana ny tetikasa. Vaindohan-draharaha ny BNI rahateo ny hanohana ireo sokajim-pihariana samihafa ho fampandrosoana ny fandraharahana. Mahatratra 2 tapitrisa ny mpandraharaha mbola tsy misitraka famatsiam-bola, izy ireny izay mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara. Ma­nome tantsoroka sy hanampy ho an’ny fanarahan-dalana ny orinasa madinika ny antom-pisian’ny FOM. Marihina fa misehatra amin’ny tsy ara-dalana avokoa ny 3 tapitrisa ny asa fihariana madinika eto amintsika. Ary tantanina vehivavy avokoa ny ankamaroany.

Henintsoa

Partager sur: