Fampiasam-bola tamin’ny fifidianana : Nisy kandidà depiote nandany vola 45 000 Ar

Namoaka tombana momba ny tetibolan’ireo kandidà tamin’ireo fifidianana ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM), ny herinandro teo. Anisan’izany ny fifidianana filoham-pirenena, ny depiote ary ny ben’ny Tanàna.

Navoitran’ny tatitra tombana fa maherin’ny iray miliara Ariary ny tetibola farany ambony indrindra lanin’ny kandidà depiote iray, raha toa ka 45 000 Ar ny farany ambany indrindra tamin’izy ireo.
Mitentina 93 tapitrisa Ar kosa ny vola lanin’ny kandidàn’ny Irmar raha toa ka 99 tapitrisa Ar ny an’ny antoko politika hafa ary 49 tapitrisa Ar ho an’ny kandidà tsy miankina.
Ho an’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023 kosa, maherin’ny 165 miliara Ar ny fitambaran’ny vola lanin’ireo kandidà. Nandany be indrindra ny kandidà, Rajo­elina Andry. Maherin’ny 129 miliara Ar izany ka nandany 45 000 Ar isaky ny vato azony ny saran’ny fandaniana. Ma­naraka azy ny kandidà, Ran­drianasoloniaiko Siteny, nandany maherin’ny 32 miliara Ar. Izany hoe, 4 700 Ar isaky ny vato azony ny saran’ny fandaniana. Kandidà fahatelo, Sen­drison Daniela nandany 395 tapitrisa Ar ka 10 000 Ar isaky ny mpifidy iray ny saran’ny fandaniany. Ny vondron’ny kandidà kosa, lany teny an-kianja ny 12% amin’ny tetibolany raha 88% kosa nolaniana tamin’ny serasera.

Tsy mazava ny loharanom-bola

Ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna, iray miliara Ariary ny tetibolan’ny fandanian’ny kandidà nanaovan’ny TI-IM tombana. Nandany 8 tap Ar ny kandidà tsy miankina iray tao Toamasina ary 191 tap Ar kosa ny tetibola betsaka indrindra lanin’ny Irmar ho an’ny eto Antananarivo Reni­vohitra.
Namintinan’izy ireo izany ny filazana fa maherin’ny 170 miliara Ar ny tetibola nampiasan’ireo kandidà tamin’ireo fifidianana telo farany nifanesy. “Tsy fantatra mazava ny loharanom-bola niavian’ireo vola ireo, raha ny vokatry ny tombana momba ny tetibola am­piasan’ny kandida”, hoy ny TI-IM.

Synèse R.

Partager sur: