Tontosa ny zoma lasa teo, tany Marovoay, ny fametrahana ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna miisa 45 lany tao amin’ny faritra Boeny. Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin ny lanonana. Niara-dalana tany an-toerana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Soafilira Princia, sy ny solombavambahoaka rehetra avy amin’ny faritra.
Nitarika ny fotoana kosa ny minisitra mpiahy ny faritra, Marson Moustapha Abdulah, minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ity farany izay nanamafy ny maha zava-dehibe ny fampandrosoana miainga avy any ifotony. Mifono hafatrafatra amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ny ben’ny Tanàna izany. Izy rahateo no nisolo tena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian.
Nanome toky amin’ny tsy maintsy hitondran’izy ireo fampandrosoana ny kaominina nahavoafidy azy kosa ireo ben’ny Tanàna. “Ben’ny Tanàna vonona hampandroso ny kaominina iadidiany sy hijery izay mahasoa ny vahoaka izahay”, hoy izy ireo.
Anisan’ny namaly ny fanasana tany an-toerana ihany koa ny senateran’i Madagasikara roa lahy voafidy tao amin’ny faritra. Nanampy azy ireo ny governoran’i Boeny sy i Sofia.
Tonga maro ihany koa ireo vahoaka avy amin’ny faritra maro nanotrona ireto ben’ny Tanàna miisa 45 ireto.
Randria