Faritra Matsiatra Ambony: Misokatra ny fanamarihana ny iray volan’ny fiahiana sosialy

Hetsika maro manerana ny Nosy no hanamarihana ny volan’ny fiahiana sosialy amin’ity volana mey ity. Voizina ny firesahana ny rejistra sosialy tokana izay mari-drefy ampiasaina manomboka izao.

Notanteraina tao Fiana­rantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny fiahiana sosialy, izay notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. “Firaisan­kina ho an’ny rejistra sosialy tokana” no lohahevitra voizina mandritra ity volana mey ity. Mari-drefy ampiasain’ny fitondram-panjakana handraisana fanapahan-kevitra amin’ny fanatanterahana ny asa fiahiana sosialy ny rejistra tokana. Tanjona ny fampiroboroboana sy fampahafantarana bebe kokoa momba izany ao anatin’ity volana mey ity. Ho­tanterahina manerana ny Nosy ny hetsika maro ho fampahafantarana marina ny mahakasika izany.
Nandritra ny fanokafana tao Fianarantsoa, nisy ny fanentanana isan-karazany. Tao ny famprantiana ny asa ataon’ireo mpisehatra momba ny fiahiana sosialy. Teo koa ny fanehoana ny vokatr’ireo mpisitraka ny tetikasa Hara­tonaina.
Tetsy ankilany, nisy ny fanaovan-tsoania fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny oniversiten’i Fianarantsoa, izay misy ny sekoly ambony amin’ny informatika (ENI). Tanjona ny hahafahana maneho amin’ny alalan’ny saritany nomerika ny faripiainan’ireo  tokantrano mane­rana ny Nosy voarakitra ao anatin’ny Rejistra Sosialy Tokana (RJT).
Tsiahivina fa tany amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana sy Betioky Atsimo no nanombohana ny fandraketana ny lisitra ho an’ity rejistra tokana ity noho ireo toerana ireo ahitana taham-pahantrana am­bony. Kaominina miisa 22 ao amin’ireo distrika ireo no hanaovana izany.
Hanampy betsaka amin’ny fisian’ny mangarahara indrindra amin’ireo fisitrahana ny tetikasa maro ho fitsimbinana ny marefo ny fampiasana izany rejisitra izany.
Mazava amin’ny alalan’ity fandrafetana lisitra mazava ity ireo tokantrano tena mendrika ny fanohanana.

Tatiana A

Partager sur: