Fivarotana cocaïne : Lehilahy voarohirohy voasambotry ny polisy

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina afakomaly hariva. Voasambotra noho ny raharaha fitazomana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika (cocaïne) izy ireo. Olona tsara sitrapo no sahy nitoroka ka nahafahana nisambotra azy roa lahy ireto. Natao ny vela-pandrika, vokany tratra tany Ambohijafy ny iray ary tany amin’ny kianja Lemalady ny iray faharoa. Anisan’ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery vaika ao an-tampon-tanàn’i Toamasina izy ireo, raha ny angom-baovao voaray. Efa nataon’ireto farany tao anaty fonosana ny zava-mahadomelina ary saika hamidy avy hatrany tamin’io fotoana io nahatratrarana azy ireo io. Ankoatra izay, mbola nahitana cocaïne manodidina ny 6 grama mahery ihany koa tao an-tokantranon’izy ireo rehefa nosavaina. Anisan’ny mahatonga sy mampirongatra ny fanaovana asa ratsy moa ny fidorohana sy fitsindromana ny karazan-java-mahadomelina. Manentana ny olom-pirenena tsy hisalasala fa hanome vaovao ny mpitandro filaminana mba hahafahana mamongotra ny mpanao asa ratsy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: