Hanatontosa ny “Tohan’aina” : Mandalo eto ny Miss sy Mister malagasy diaspora

I Kevina Volazara no Miss malagasy raha toa ka i Yanisse Jafari no Mister malagasy 2025. Mandalo aty an-tanindrazana izy ireo, ary nihaona tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo, tetsy Antaninare­ni­na. “Fitsidihana efa fanao isan-taona izy ity, ho an’ny Miss sy Mister malagasy. Ha­natontosa ilay tetikasa “Tohan’ aina” no tena tanjona amin’izao fandalovana aty Madaga­sikara izao”, hoy ny nambaran’i Sam Ralantoarison, mpikarakara ny hetsika.
Tetikasa sosialy, hanampiana ireo mpiray tanindrazana any ambanivolo any ny “Tohan’aina”. Natao hizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy izany, mba tsy ho sa­kana tsy hahavitan’izy ireo ny fianarany. Nosafidiana hotsidihan’izy mianadahy amin’ity ny faritra Analanjirofo. “Misy ha­fatra tianay hampitaina amin’ireo Malagasy rehetra monina any ivelany, dia ny tsy hanadino ny tanindrazana, satria manana adidy sy andraikitra mijery ny firenena nihaviana isika, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara.
Ankoatra ny tetikasa “To­han’aina”, manana ny tetikasany manokana ihany koa ny Miss sy Mister malagasy. “Ma­­nana tetikasa hiady amin’ny fanolanana mateti-pitranga aty Madagasikara aho”, hoy i Kevina, tovovavy 21 taona, Miss malagasy 2025. “Izaho kosa hanentana ireo ankizy sy ny tanora amin’ny fanatanjahantena, satria fitaovana iray amin’ny fanabeazana ihany koa izany”, hoy kosa i Yanisse Jafari, Mister malagasy 2025.
Tsiahivina fa fifaninanana hatsaram-bika ho an’ireo tovolahy sy tovovavy manana fihaviana malagasy, fa monina any Frantsa ny Miss sy Mister Malagasy. Efa nisy nanomboka ny taona 2010 izany.

Zo ny Aina

Partager sur: