Ny tombokavatsa na tatoazy, na dia mahazatra aza, mety hiteraka olana ara-pahasalamana raha tsy atao ao anatin’ny fepetra ara-pahasalamana tsara indrindra. Ny risika lehibe indrindra dia ny areti-mifindra amin’ny hoditra, bakteria na viriosy (hepatitis B, C, VIH). Na lamaody aza ny tatoazy mila fitandremana fatratra ny manao azy.
Vao tsy ela no nahafaty ankizy ny dia fibeazana natao tany Mahajanga. Izao indray dia tra-doza ireo ankizy hafa nihazo an’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Vao maika mampivarahontsana ny ray aman-dreny ny zava-mitranga. Maro ireo sekoly nanapa-kevitra nanafoana ny dia fibeazana izay efa nokasaina hatao.
Miteraka tahotra sy horohoro ho an’ny mponina ny fahafatesana tovovavikely tsy fantatra antony mazava niseho tato ho ato. Fadiranovana ireo manan-janaka vavikely. Tsy misy rahateo fanazavana avy amin’ny manam-pahefana mahakasika ireny tranga ireny. Tsy manome antoka na toky amin’ny fandriampahalena ihany koa ireo tomponandraikitra.
Mivadibadika ny toetry ny andro. Mangatsiaka amin’ny ankapobeny kanefa mafana tampoka rehefa misava kely ny rahona. Misy aza ny orambe tandrifindrahona tampoka amin’ny toerana sasany. Tsy mahazaka izany ireo marefo ka lasa mikohoka sy voan’ny sery. Mihetsika ny aretina mitaiza indrindra ny sohika. Mila manatona dokotera haingana.