Ihazakazahana ny hoe fampandrosoana amin’izao? Maika avokoa ny zava-drehetra, marolafy… Mby aiza? Ny mampanontany tena koa: mba tena liana sy vonona amin’ny hoe fiovana sy fampandrosoana ve, ohatra, ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny fiarahamonina, ny faritra… ? Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana sy fanovana. Tsy iandrasana ny hafa hiova ny fanovana. Aiza ve, rey olona, ka ny fanasan-tanana amin’ny rano sy savony avy, ohatra, dia mila fanentanana sy fanampiana? Amin’izay, ny vahiny avy any ivelany no misahirana ny amin’izany. Sanatria, tsy fantatra sy tsy hay…
Tsy manana fotoana sy tsy mahita rano idiovana avokoa ny ankamaroan’izay entanina amin’izany? Misy tena voretra, masiso… Manginy fotsiny ny fisaritahana, ny fitenenan-dratsy, fidonaham-poana… Tsy te hiova na liam-pivoarana? Na miandry an’iza, na manantena inona… Sanatria, any amin’ny toe-tsaina sy toe-po no voa? Tsy tia madio, tsy mahazaka filaminana… Tsy afa-manoatra? Na kamo, na mihevitra fa tsy hanova inona izany na manahirana… Tsy mahagaga raha sarotra sy mafy ary ela ny hoe fampandrosoana. Indrindra ny hoe maha olona… Ny olona no mila miova alohan’ny fanovana…
Voalohany sy lehibe ary maika amin’izany ny fanabeazana ny maha olona? Ny olona no manao sy anaovana fampandrosoana. Teboka iaingana sy iantefana izany. Mila manome lanja sy hasina ny tenany aloha izay te hanao sy hahavita zavatra. Mby aiza? Mila manaja tena izay te hohajaina, mila matoky tena izay te hatokisana, mila mahatari-tena izay te hotarihina na ho mpitarika any aoriana… Mila fanapahan-kevitra sy fahavononana ary firosoana ny hoe fampandrosoana, fa tsy ifampiandrasana. Manomboka eo amin’ny tena aloha ny hoe maha olona…
R. Nd.