Novelomin’ireo tanora : Mitoetra ny kanton’i Bessa

Tsy azo lavina, mbola mitoetra ary tsy ho lefy laza vetivety ireo hiran’i Bessa. Voaporofo indray izany, nandritra ny fampisehoana izay nitranga tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. I Mahery no nanao ny feon-dehilahy ary i Faniry Raelison, Nanie ary i Farakely kosa no nifarimbona tamin’ny feom-behivavy. Nosafidian’izy ireo manokana ireo hira noforonin’i Bessa nampihirainy mpanakanto maro, na nataon’izy mivady ihany. Nanakoako indray ny “Antsirabe”, “Izany no antony”, “Raha mbola misy”, “izany no fitia”, “Isaky”, “Toaka tapany”, sns. Tao ny fampiaraham-peo, nisy kosa ny nandeha tsirairay, saingy samy niezaka nampiaina ireo hira araka ny nanaovan’ny mpamorona azy.
Mpanakanto tsy nampoizina mihitsy niaka-tsehatra ny seho i Tonton Pà ao amin’ny tarika Rebika. Nanao ny “Ha­sambarana” niaraka tamin’i Mahery sy ny “Harmonia” niaraka tamin’i Faniry Raelison izy. Tsy nampoizin’ny maro, satria tsy mba ansian’ireo mpanakanto efa hita sy re namelona ny hiran’i Bessa i Tonton Pà.
Anisan’ny faniriana lehibe ho an’ny mpankafy, ny hahita indray an’i Bessa sy i Lôla an-tsehatra, eto an-tanindrazana…

Zo ny Aina

Partager sur: