ENSP Ivato: Mankalaza ny faha-55 taona nijoroany

Notanterahina teny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-55 taona nijoroan’ny sekoly. Efa namolavola sy namoaka andiany miisa 25 ho an’ny commissaire de police, ary andiany 26 ho an’ny officier de police ity sekoly ity. Nisongadina tamin’ny fotoana omaly, ny fananganan-tsaina maraina narahina hazakazaka niaraka tamin’ireo tale nifandimby nitantana ny sekoly. Teo koa ireo polisim-pirenena miasa eo anivon’ny sekoly ary ireo mpia­natra ho polisy andiany « Mendrika » sy andiany « Miahy ». Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa efa nahavitabe (5 ka hatramin’ny 25 taona) niasa teo anivon’ny ENSP koa ireo tomponandraikitra. Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randriambelo Mandimbin’Ny Aina, izay efa nitana ny andraikitra maha talen’ny sekoly teo anivon’ny ENSP.

Jean Claude

Partager sur: