EPS- BEPC : Mandray mpiadina 4 334 ny Kianjan’Isahafa

Ambohi-pihaonan’ny mpiadina fanatanjahantena amin’ny BEPC nanomboka omaly, ny tao amin’ny Kianjan’Isahafa, ao Anosy Avaratra. Avy amin’ny Zap 11, anatin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, ireo mpianatra manao ny fanadinana. Mpiadina miisa 4 334, avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny tapany avaratra no miatrika izany. Tafiditra ao ireo mpiadina avy amin’ny kaominina sy fokontany manodidina: Ambohimanga, Talata Volonondry, Ambohidrabiby , Sabotsy Namehana, ary Ankadikely. Vita ny fotodrafitrasa araka ny nampanantenain’ny ben’ny Tanàna ao Anosy Avaratra, Rakotondralala Marino, ary misy toerana filalaovana basket-ball sy volley-ball koa ao. Fifanomezan-tanana no nenti-nanana ny asa fanamboarana ka nanoloran’ny ben’ny Tanàna fisaorana ireo mpiray ombon’antoka rehetra nandritra ny lanonam-pitokanana, ny faran’ny herinandro teo.
Ezaka natao hanalana fahasahiranana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny, indrindra amin’ny fiatrehana ny adina ara-panatanjahantena, no nanamboarana ny Kianjan’Isahafa. Teo aloha, tany amin’ny Kianjan’Andralanitra no niatrehana izany. Nitarika ny fitokanana ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Vonjy

Partager sur: