Nampahafantarina ofisialy ny 9 mey teo, ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money sy ny Rafitra fifanakalozam-baovao hitantanana ny vola miditra amin’ny fanjakana ankoatra ny hetra (SIGRNF) eo anivon’ny Fitantanana foibe ny sampana informatika ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola (MEF). Azo aloa amin’ny Airtel Money ny saran’ny haba ankoatra ny hetra.
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Money, Randrianarison Heritiana, fa « mazava ny tanjona, ny hanatonana akaiky ny rehetra manan-draharaha, omena tolotra niomerika azo antoka ara-toekarena. Haingana, tsy mifidy toerana amin’ny fotoana rehetra. Mitondra ny anjara birikinay izahay amin’ny fametrahana ny SIGRNF, hisian’ny fitantanana maoderina, mangarahara ho an’ny rehetra ».
Napetraky ny minisitera MEF ny rafitra SIGRNF, entina hanatsarana sy hampitomboana ny fidirambolam-panjakana, hiarovana ny fandoavam-bolan’ny manan-draharaha. Tsy mila mampiasa lelavola sy manatona birao. Fantatra ny lalan-kalehan’ny vola niditra amin’ny fanjakana sy ny fanaraha-maso azy, sns.
Sokajiana ho SIGRNF ny haba aloa ho an’ny fiantsonan’ny fiara, ny haban-tsena, ny haba amin’ny sora-piankohonana, ny fahazoan-dalana mitondra fiara, ny « cartes grises », ny pasipaoro, ny « visas », ny sara-pisoratana any amin’ny Oniversite, hopitaly, harena an-kibon’ny tany, ny jono, ny fizahantany, sns.
Njaka A.