Faritra Atsimo Atsinanana : 85% ny taham-pitsirian’ny zana-kazo novolena

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ny Androm-pirenena ho fikolokoloana sy fanaraha-maso ny zana-kazo voavoly ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Agnilobe, fokontany Ampo­roforo, kaominina Amporo­foro, distrika Farafangana. Fanombanana sy fanisana ny zana-kazo mitsiry, fanadiovana ny fototry ny zana-kazo, fanondrahana ary fanamboarana aro afo no asa natao nandritra izany. Voamarina teto fa 85% ny taham-pitsirian’ny zana-kazo. Zana-kazo 50 no nasosoka ireo maty ary mihoatra ny 8 000 no voadio sy voatondraka. Nahatratra 250 ny mpandray anjara ary nanamarika ny fandraisam-pitenenana ny fanentanana amin’ny fikolokoloana sy ny ady amin’ny afo mba ho tonga ala mikitroka ny zana-kazo novolena.
Nivoitra ny maha zava-dehibe ny ala ka nanolotra tavy miisa 10 000 ho an’ny kaominina Amporoforo ny talem-paritry ny Tontolo iainana. Satria, hampanatonina eny ifotony ny fikarakarana tanin-jana-kazo. Ao Agnilobe, 30 ha ny velarana voavoly hazo nanomboka ny taona 2023, tamin’ny alalan’ny tetikasam-panjakana nahazoan’ireo olona marobe ifotony tombontsoa. “Ala velona antoky ny ankehitriny sy ny hoavy” ny lohahevitry ny hetsika. Hitohy amin’ny distrika efatra hafa izany. Nitarika ny asa ireo solontenam-panjakana samihafa, mpiara-miombon’antoka, mpianatra, ireo fikambanana, fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy ao Atsimo Atsinanana.

Vonjy

Partager sur: