Lehilahy iray 17 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tany amin’ny tsenan’ i Bejofo, fokontany sy kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Hitan’ny olona nifamaly sy niady ny lehilahy roa tao amin’io tsenan’i Bejofo io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Nandray antsy ny iray tamin’izy ireo ka nanindrona izany tany amin’ny ilany havian’ilay mpifanandrina taminy. Naratra mafy vokatr’izany ity lasibatra, nandriaka ny ra. Nahita izany ireo nanatri-maso ka nampandre ny zandary avy amin’ny borigadin’Ankadinondry. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy avy hatrany ireo zandary miisa telo, taorian’ny antso, notarihin’ny GP1C Franco. Efa tonga nandray an-tanana ilay naratra ny mpitsabo ao amin’ny CSB2 tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Nitondra ilay naratra tany amin’ny hopitaly saingy namoy ny ainy ity farany rehefa tonga teny. Nosamborina ary notanana nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay nahavanon-doza taorian’ izay. Efa nilamina tsara ny tany an-toerana taorian’ny fisamborana nataon’ny mpitandro filaminana ity nahavanon-doza ity. Notazonina sy nogiazana eny amin’ireo manampahefana ilay zava-maranitra nampiasain’ireto nahavanon-doza.
Mino