Filoha Rajoelina Andry : tokantrano miisa 7 200 nisitraka vatsy tsinjo

7 200 ny tokantrano nahazo Vatsy Tsinjo, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Tafiditra amin’ny fiahiana ny sosialim-bahoaka, vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany.

Miverina ny fizarana Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanome fiahiana sosialy manokana ho an’ny mpianatra hanala CEPE sy fianakaviana 7 200 ny filohan’ny Repoblika. Nahazo ny anjarany ny avy amin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra. Notanterahina teny amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka ny fanolorana vary iray gony, siramamy 1kg, menaka 1l, ary savony ho an’ny isan-tokantrano.
“Hitohy isan-kerinandro ny fizarana ka hahazo daholo ny boriborintany enina ato amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hijanona eto an-dRenivohitra fa hahazo koa ny faritra”, araka ny fa­nambarana nataon’ ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.

Lalankely

Mialoha ny fizarana ny fanampiana ho an’ny sahirana, nidina ifotony teny An­kasina ny Filohan’ny Re­poblika. Nijery ny fanamboarana ny lalankely ao anatin’ny tetikasa Produir ho fanatsarana ny tanàna iva. Noha­mafisiny fa atomboka amin’ny boriborintany I, ao amin’ny fokontany Ankasina, ny fanesorana ny fako manentsina ny lakandrano. Hotanterahina amin’ny asa tagnamaro hiarahana amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra izany. Karamaina vary 5kg ny olona iray. Hahatratra 1 000 ny mpa­­nadio. Hotanterahina isaky ny sabotsy izany. Mirefy 41 km ny lalankely, 30 km ny lalambe, tetezana 6 km no vita tao anatin’ny 3 taona. Nasiana andrin-jiro miisa 18 koa manazava ny lalana.
Vola mitentina 14 tapitrisa dolara, amin’ny 125 tapitrisa dolara, no hampiasaina hanatanterahana ny tetikasa. Mbola hanampy 10 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena. Ahafahana manorina trano 2 500 vaovao hamindrana ireo fianakaviana monina eny amin’ny faritra iva izany.

Vonjy

Partager sur: