INDRAY MIJERY

Nanambara ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina fa nosokafana tany Fianarantsoa, ny iray volana fanaovana ny Rejisitra sosialy tokana. Handraiketana an-tsoratra ny fianakaviana sahirana hisitraka tohana izany. Natao anatin’ny sarintany ireo tokantrano miaraka amin’ny sokajiny avy. Efa nafindra any Fieferamanga ireo tokantrano teny an-dalambe. 17 ny tokantrano niverina any amin’ny faritra Itasy, Vakinankaratra. 20 koa nifindra monina eny Ambohimiarina ary manaraka fiofanana izy ireo.
“Efitranon-tsekoly 7 468 no tafatsangana hatramin’izao”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­tapenaka. Mpianatra 1 500 000 no nisitraka fitaovam-pianarana. Ho an’ny taom-pianarana 2025-2026, mbola ho maimaimpoana ny fidirana an-tsekoly ho an’ireo tena marefo, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika.
Betsaka ny tetikasa natao hanatsarana ny tanàna iva. Ahitana fanamboarana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka izany. Ankoatra ny lalankely, eo koa ny fanadiovana ny lakandrano rehetra, fametrahana bloc sanitaire iarahana amin’ny tetikasa Produir sy ny kaominina. Ilaina koa ny fanamboarana kianja ho an’ny basket hilalaovan’ny ankizy.
Nampahafantatra ny association Psy-kôzy Madagascar fa raha hijery psychologue, tsara ny mijery ny annuaire an’ny Holafitr’izy ireo eto Madagasikara. Azo tsidihina ao amin’ny site web izany. Satria, ao daholo no hahitana azy sy ny toerana misy azy ireo. Misy ihany koa ny service psychiatrie Befelatanana, Homi, CHUSSA Analakely (ex Institut d’hygiène), CHU Anjanamasina raha toerana miankina amin’ny fanjakana.

Partager sur: