Jiu-jitsu-“Lemur Cup” : Kanadianina 4 ho avy eto Madagasikara

Avo lenta tanteraka ny fifaninanana “Lemur Cup”, eo amin’ ny taranja Jiu-jitsu, izay hatao eny amin’ny Lapan’ny fana­tanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao. Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no ho avy eto Madagasikara. Ankoatra izay, hampiavaka azy ity koa ny “Cash prize” ka 500 000 Ariary izany amin’ity indray mitoraka ity. Eo amin’ny mpandray anjara kosa, manodidina ny 160 izy ireo no andrasana. Ankoatra ny Kanadianina, hisy mpikatroka avy atsy La Réunion ihany koa ho avy eto, raha ny nambaran’ny mpikararaka avy eo anivon’ny Guerreros. Amin’ny maha fifaninanana iraisam-pirenena azy, hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny ady rehetra hitranga ary mpikatroka manana ny lenta amin’izay fifanina­nana iraisam-pirenena izay avokoa no handray anjara sy hiady ny fandresena mandritra izany. Araka ny fandaharam-potoana, ny zoma 16 mey izao no ho tonga eto Madagasikara ireo vahiny hifanandrina amin’ny Malagasy. Hisy ihany koa ny seminera lehibe hiarahana amin’ny i Eric Noël, vahiny manam-pahaizana, sy Radafy Ranaivo, amin’io zoma 16 mey io.

Mi.Raz

Partager sur: