Lozam-piarakodia teto an-dRenivohitra : Olona efatra maty tanatin’ny roa andro

Nahatratra efatra ireo olona matin’ny lozam-piarakodia niseho teto an-dRenivohitra tanatin’ny roa andro, afakomaly sy omaly. Telo namoy ny ainy nandritra ny fifandonana niseho tetsy Tsarasaotra, afakomaly. Vokatry ny tsy fitandreman’ ny mpampiasa lalana avokoa ny nahatonga ireo lozam-pifamoivoizana ka nitarika tamin’ny famoizana aina.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo teny amin’iny lalam-pirenena Ivato-Tsarasaotra iny, ny alahady teo. Nisy kamiao mpitatitra entana nijanona teny an-toerana noho ny olana mekanika teo amin’ny fiara. Tsy nanisy mari-pamantarana fijanonana izy ka antony nahatonga ny lozam-pifamovoizana indroa nisesy. Fiara 4×4 Hyundai Galloper iray avy any Imamba, hihazo ny rond point Tsara­saotra no nifandona tamin’io kamiao io ny alahady 11 mey tamin’ny 8 ora sy 5 minitra. Nifatratra tao amin’ny vodin’ ilay fiara mpitatitra ny fiara Hyundai. Vokany, naratra mafy ireo olona roa tao anatin’ilay 4 x 4. Nentin’ny polisy teny anivon’ny hopitaly miaramila CenHoSoa Soavinan­driana ny naratra. Namoy ny ainy ilay lehilahy (48 taona) rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Mbola manaraka fi­tsaboana kosa ilay vehivavy (34 taona) niaraka taminy. Mbola nidofotra tao koa ny fiara BMW X3 avy any Imamba hihazo an’i Tsara­saotra, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra alina, taorian’izay. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara nandona, naratra mafy vokatry ny fifandonana kosa ny mpamily tao anatin’ilay fiara BMW. Nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly voalaza etsy ambony izy taorian’ny tranga saingy tsy tana intsony koa ny ainy. Etsy an-kilany, ramatoa iray 70 taona maty voadonan’ny taxi-be Peugeot 309 avy any Ambodi­fasina hihazo an’Ivato, afakomaly tamin’ny 4 ora hariva. Saika hiampita arabe ity ramatoa ity no voadona ary naratra mafy. Nentin’ilay mpamily haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny naratra saingy tsy tana ny ainy.

Ramatoa maty nodomin’ny fiara tetsy 67 Ha

Vehivavy iray hafa namoy ny ainy nodomin’ny fiara taxi-be 157, tetsy 67 Ha, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Avy any Antohomadinika hihazo ny faritra 67 Ha ity fiara ity ary nandeha mafy. Tsy nahatana familiana intsony ny mpamily ka niala ny arabe ary tafakatra tamin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Vokany, olona telo voadona sy naratra mafy: lehilahy 35 taona mpivarotra, lehilahy 27 taona mpanampy mpamilin’ilay fiara, ary vehivavy 49 taona mpivarotra. Nentina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy ireo. Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ilay vehivavy 49 taona. Mbola manaraka fitsaboana kosa ireo ambiny hafa. Ny fandehanana mafy, tsy fitandreman’ny mpamily sy ny mpandeha an-tongotra no tena anton’ny loza. Efa natao andri-maso eny amin’ny mpitandro filaminana avokoa ireo mpamily nihavian’ny loza ireo.

Mino

Partager sur: