Mitohy hatrany ny fampiofanana tanterahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho an’ ireo ben’ny Tanàna. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna miisa 106 any amin’ny faritra Anôsy sy Androy, ny herinandro teo.
Anisan’ny niompanan’ny fampiofanana ny dingana amin’ny fampiasana ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa Mionjo. Nomena fanavaozam-pahalalana momba ny fomba fampiasana ny vola, efa any amin’ny kaontin’ny kaominina, izy ireo mba hananganana fotodrafitrasa sy ho fampandehanan-draharaha.
“Tanjona amin’ity fihaonana ity ihany koa ny mba hisian’ny fifampizarana traikefa amin’ny samy kaominina ka miaraka mandroso sy samy mahavita antsakany sy andavany ny fotodrafitrasa, entina mampandroso ny kaominina sy ny faritra ary ny firenena”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ ny MFFT. Anisan’ny nanampy tamin’ny fanofanana sy nizara traikefa koa ny eo anivon’ny FDL.
Etsy andaniny, nankatoavin’ny kaomitim-paritry ny Fanajariana ny tany ny Drafi-panajariana ny faritra “Srat” ho an’ny faritra Androy sy Anôsy. Fanohanana avy amin’ ny MFFT koa izany. “Marika ho amin’ny fandrosoana stratejika sy manokatra lalana ho amin’ny fandrindrana lovain-jafy”, hoy ny eo anivon’ny minisitera. Natao tamin’izany ihany koa ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ny ekipa eo anivon’ny faritra, mba hahatomombana ny fampiharana ny Srat.
Tsiahivina fa napetraka ho fampiharana ny lalàna n°2015-051 momba ny fanajariana ny tany ity antontan-kevitra ity, ka mifanaraka sy mifanandrify tanteraka amin’ny zava-misy eo an-toerana.
Synèse R.