Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ny tetikasa Base Toliara. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul : “Tsy ny tetikasa Base Toliara no ratsy fa ny drafi-pandaminana eo amin’ny paikady fampandrosoana nasionaly mifandray amin’ny fampandrosoana ifotony no mila mazava. Io àry fa misitraka fampandrosoana tokoa ny vahoaka any amin’ilay misy ny harena”. Manana ahiahy ny olona amin’ny fisafotofotoana, satria efa niainana teto Madagasikara izay. Tsy misitrika inona ny faritra iavian’ny harena. Ny dingana fanombohana ny tetikasa fotsiny no misy olona miasa. Vahiny aza no be dia be amin’izany. Maninona, ohatra, no tsy ofanina ny Malagasy amin’izany asa izany? Mila trandrahina ny harena. Mila mpamatsy vola izay. Mila olona amin’ny fahaiza-manao ary mila fitaovana koa. Mila fahaiza-mifampiraharaha, ary tokony hipetraka tsara: inona ny fepetra? Raha ny fitrandrahana lehibe efa misy amin’izao: mandeha ny fitrandrahana, fa ny faritra misy izany tsy ao ny fampandrosoana. Tokony hananana ny politika fampandrosoana ifotony.
Momba ny tetikasa Base Toliara: aiza ho aiza ny anjara raisin’ny fanjakana foibe, ary aiza ho aiza ny an’ny kaominina any an-toerana? Aoka ny kaominina sy ny faritra halalaka amin’ny fitantanana ny hareny amin’izay anjara omen’ny fanjakana azy. Manahirana, indraindray misy tamberim-bola tokony ho an’ny kaominina tsy voaloan’ny fanjakana. Tsy olona fa rafitra no resahina amin’izany, tsy politika politisianina fa politika fampandrosoana ifotony. “Rehefa mazava izay momba ny tetikasa Base Toliara, mora ny mandamina ny zava-drehetra”, hoy izy.
R. Nd.