Sambany teo amin’ny tantara isam-paritra no nisian’ny fikambanam-behivavy hisehatra amin’ny fikojakojana ny zava-bita, toy ny fotodrafitrasa, eo amin’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina misy azy
Fantatra izany nandritra ny hetsika voalohany nasehon’ny fikambanam-behivavy “Anakaviny Zaman-jaza”, izay efa mijoro isaky ny distrika miisa fito mandrafitra ny faritra Atsinanana ary misandrahaka hatreny anivon’ny kaominina sy ny fokontany. Rafidison Ismael Sophie, vadin’ny minisitry ny Asa vaventy, no filoham-boninahitry ny fikambanana. Ny voalohan’ny volana mey, nanamarihina ny fetin’ny asa ny famafan-dalana sy fanadiovana ary fikojakojana ireo lalana béton mirefy 5 km vita nandritra ny fotoam-pitantanan-dRafidison Richard Théodore ny faritra Atsinanana, naha governoram-paritra azy. Tsy vitan’izay, raha ho an’ i Mahanoro manokana, nambaran’ireo mpikambana fa tohizana ary hatao fomba fiasa ny fanadiovana ireo lalana béton 5 km ireo isaky ny sabotsy voalohan’ny volana. Nohamafisin-dRafidison Ismael Sophie, fa azo antoka hanao toy izany avokoa ireo renivohitry ny distrika miisa fito mandrafitra ny faritra Atsinanana. “Tsy natao handray ny vita fotsiny sy ho mpikarakara tokantrano ihany isika fa handray anjara sy andraikitra amin’ny tanindrazana iraisana ka hatomboka eo amin’ny faritra sy distrika misy antsika izany”, hoy ny filoham-boninahitra. Ankilany, tsy nirava maina ny hetsika fa nizarana fitaovana ampiasaina amin’ny fanasan-damba, toy ny koveta, ireo mpikambana rehetra nandray anjara. Tanjona, ny faritra Atsinanana mandroso miaraka ho an’ny taranaka.
Sajo.