Toamasina : Naneho ny heriny ny antoko TGV

Tontosa tao amin’ny efitrano malalaky ny “Foyer Sociale”, Cité Canada, ny  sabotsy 10 mey teo, ny fihaonamben’ny antoko TGV sy ny mpikambana miaraka aminy, amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry.

Nahatonga solontena avokoa ny distrika rehetra mandrafitra ny faritra Atsinanana nandritra ny fihaonana. Samy nanao tatitra sy fanakianana ary soso-kevitra entina hanatsarana ny fiainan’ny antoko izy ireo. Heni-boninahitra tokoa ny antoko TGV Toamasina, ny sabotsy teo, noho ny fahatongavan’ny minisitra mianadahy, dia ny mini­sitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisitry ny Asa vaventy. Teo rahateo ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena izay sekretera nasionalin’ny antoko misahana ny faritany Toama­sina, i Naharimamy Irmah Willson. Nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa afaka manao politika ny minisitra satria olon’ny antoko ary manana andraikitra hampandroso ny antoko niaviany. “Matanjaka ary mbola miaina tsara ihany koa ny antoko TGV faritra Atsinanana, satria mbola afaka manao fihaonambe ta­hak’izao ary tonga maro”, hoy kosa ny minisitry ny Asa va­venty. Iray ihany ny antoko ary iray koa ny tanjona iara­hana amin’ireo fikambanana hafa manohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. « Miainga eny ifotony, tsy hisian’ny faritra na distrika sy kaominina ha­dino », hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena misahana ny faritany Toamasina, i Naharimamy Irmah Willson. Nohamafisiny hatrany fa fa­melomana ny afom-pitiavana miainga eo amin’ny mpizaika rehetra mba hilazan’ izy ireo ny hafatra any amin’ny distrika niavian’ izy ireo tsirairay avy no tanjon’ny fihaonambe. Izay fanakianana havadika ho fitaovana entina hanatsarana ny fiainan’ny an­toko.

Sajo/J.C

Partager sur: