VAOVAO TAMBATRA

Natao ny 5 mey teo ny fanaraha-maso ny asa any amin’ny RN12. Mirefy 2 km ny asa fanarenan-dalana natao any amin’ny kaominina Ambila, eo anelanelan’ny tanànan’i Manakara sy Fitovinany. Tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida miaraka amin’ny UNOPS vola.

Vita ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena, RN15, andiany faharoa, mampitohy an’i Sakaraha sy Ankazoabo ary Beroroha, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Namatsy vola ny asa ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR). Natao ny 7 mey teo ny fandraisana vonjimaika ara-teknika ny fahavitan’izany. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra any an-toerana, hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Hatao anio 13 sy rahampitso 14 mey ny Tsenaben’ny Fanabeazana ara-tontolo iainana, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Tanjona ny hamantaran’ny tanora, ny mpianatra, sy ny mpisehatra samihafa ny lafiny sy ny lanjan’ny tontolo iainana. Hisy ny hetsika manokana, atrikasa miompana amin’ny lafiny fikarohana, fandalinana, fieritreretana, fisainana, hikarohana vahaolana miompana amin’ny tontolo iainana. Maimaimpoana ny fidirana.

Partager sur: