Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’An­tsi­ranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. Nitaky ny vola tao amin’ireo lasibatra ireo jiolahy. Noratraratrain’ireo tsy valahara tamin’ny zava-maranitra ilay teratany vahiny lahy. Voa mafy ary nivoa-dra mihitsy izy. Nobatain’izy ireo ny entana sarobidy. Niantso mpitandro filaminana ny tompon-trano. Nokarohina ny mpiambina ny tanàna roa lahy saingy tsy nisy hita tao an-toerana. Niroso tamin’ny fitadiavana azy ireo ny mpanao famotorana. Sarona tany anaty ala ny mpiambina iray.
Nosamborina tao amin’ny trano fonenany kosa ny mpi­ambina faharoa. Atao famotorana izy mirahalahy. Nentina nanaraka fitsaboana ilay lasibatra izay naratra mafy. Tsy an-dRenivohitra irery ihany, manjaka tanteraka ny tsy fandriampahalemana na dia eo aza ny fandraisana andraikitra sahanin’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: