Andron’ny seha-pamokarana: manohana ny indostria sy ny vokatra eto an-toerana

Hanomboka ny zoma ka haharitra telo andro ny Andron’ny seha-pamokarana atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fotoana hampahafantarana ny vokatry ny indostria malagasy. Ho hita eny a-toerana avokoa ireo orinasa 12 nisitraka ny fiarovana ara-barotra napetraky ny «Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales» (ANMCC). Tan­jona ny hanjifan’ny Malagasy ny vokatra eto an-toerana ho fanohanana ny orinasa malagasy ary ny lohahevitry ny hetsika : «Vita malagasy, tiako ka arovako».
«Napetraka teto amintsika nanomboka ny taona 2019 ny fiarovana ny indostria hampihena ny fanafaran’entana avy any ivelany sy hampitomboina ny fahafaha-mamokatry ny orinasa eto an-toerana. Voizina ao anatin’izany ny kalitaom-bokatra mba hamaly ny filan’ny mpanijifa sy afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena», hoy ny tale jeneralin’ny ANMCC, Barthélemy, omaly. Tao anatin’ny enin-taona, nitombo ireo orinasa nisitraka fiarovana. Tanjona ny hampiroboroboana izany ho fanandratana ny vita malagsy. Manara-maso ny vokatra miditra eto amintsika ny ANMCC ka mametraka ireo fepetra fiarovana ny vokatra eto Madagasikara. Ani­san’izany ny haba fanampiny amin’ny haban-tseranana (DAD), ny famerana ny vokatra miditra. «Azo atao kosa ny mametra ny vokatra miditra sy mandoa ny haba fanampiny amin’ny haban-tseranana», hoy ny tale teknika ny ANMCC, Nambohoe Venou. Izany hoe, ferana ho 15 000t ny paty miditra eto amintsika. Mandoa DAD 26% raha mihoatra. 11% izany ho an’ny lafarinina, 28% ho an’ny labozia ary 18% ho an’ny menaka.

Henintsoa

Partager sur: