Raha hatambatra hatramin’ny taon-dasa, efa nihoatra ny folo ny trangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny Boulevard Ratsimilaho iny hatramin’ny fahavitan’ny fanarenana azy. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizna tsy nahy, efa nitrangana famonoan-tena ihany koa io lalana vaovao io. Tovovavy iray, ohatra, no sahy nitsoraka tao ambany fiara sendra mandalo. Amin’ny ankapobeny, malalaka ny lalana ary tsy azo andalovan’ny posy. Tsy misy fampihenana hafaingam-pandeha (casse vitesse). Raha isainy ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo, efa nahatratra folo ary ny efatra tamin’ireo namoizan’ aina avokoa. Vokatry ny fandehanana mafy ny ankamaroan’ny loza miseho eny amin’ny boulevard Ratsimilaho, na fiara izany na moto. Ireo lozam-pifamoivoizana voalaza rehetra ireo dia teo anelanelan’ny toby na tranotromban’ i Sabotsy Albert sy ny sampanan-dalana telo manakaiky trano fandraisam-bahiny iray.
Raha nanontaniana momba ireo loza niseho ireo i Sabotsy Albert, mpitahiry ny fomba nentim-paharazana, dia nilaza fa fitokanana ara-panjakana no natao fa tsy nisy ny fanomezana haja ny razana, “Ilàna fitokanana ara-pomban-drazana, hamonoana omby, io fotodrafitrasa vao vita io”, hoy izy. Ny razana no mila aina satria tsy nomena voninahitra, Nohamafisiny hatrany fa faritra fandroan’ny mpanao tromba eny amoron-dranomasina ity isehoan’ny loza matetika ity ka ilàna fitandremana sy fahamailoana hatrany ary tsy azo atao kisangy, hoy hatrany izy.
Sajo