Famonoana an’i Raissa kely: hiatrika fampanoavana anio ireo voarohirohy

Nohainoin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava teny Anosy, hiatrika fampanoavana anio, ireo olona voasaringotra tamin’ny raharaha fahafatesan’i Raissa kely.

Tsy hilefitra amin’izay nahavanon-doza nahafaty an’i Raissa ny fitsarana fa hampihatra avy hatrany ny sazy, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany, Rakotoniaina Narindra Nava­lona, omaly.  “Efa misy ireo voasambotra atao famotorana. Mitohy ny fikarohana ireo heverina manana andraikitra tamin’io vonoan’olona io”, hoy ny fanazavana. Lavin’ny fitsarana ny fangatahana mivantana na ankolaka ny fahafahana vonjimaika ho an’ireo voarohirohy amin’ny tranga vono olona. Etsy ankilany, tsy miasa irery ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava (BC) izay misahana ny fanadihadiana lalina momba ireo vono olona roa tao Anto­homadinika sy 67 Ha. “Miara-misahalahy aminay ny polisy misahana ny heloka ana habaka sy ny PMPM”, hoy ny lehiben’ny BC, ny kaomisera Ratojonirina Manampison.

Habibiana
Raha tsiahivina, nifampitadiavana i Raissa, izay zazavavy 8 taona, ny sabotsy 10 mey teo. Hita faty nifono gony ary nasitrika tao anaty lavaka fivarinan’ny maloto tao amin’ny fokontany IVO Antohoman­dinika Atsimo io zaza io, ny alahady 11 mey teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nametraka taratasy sora-tanana ny nahavanon-doza, nilaza fa tontosa ny valifaty ary mbola hamono olona roa izy ireo. Natao ny alatsinainy ny “autopsie” izay vokatra nandrasan’ny mpitandro filaminana ka nanampy azy ireo tamin’ny famotorana. Ankoatra ny raharaha Raissa, notsindrin’ny lehiben’ny fampanoavana fa mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ny famonoana an’i Trichia, ankizivavy 17 taona nisy namono tao 67 Ha, ny 26 avrily lasa teo.

Tsiferana R.

Partager sur: