Fampandrosoana eny ifotony: hiara-kiasa amin’ny distrika fito ry zareo Sinoa

Noraisin’ny filohan’ny Ante­­nimierampirenena, Tokely Justin, teny Tsimbaza­za, ny de­legasionina sinoa avy amin’ ny « China NGO Network for International Exchanges – CNIE”. Nitarika izany ny filoha lefitra, Li Jun, sy ny masoivoho, Ji Ping. Niompana tamin’ny resaka diplomasia parlemantera, amin’ny maha mpanao lalàna ny Antenimieram­pirenena, ny dinika ka nanamafisan’ny filohan’ny Anteni­miera ny fiaraha-miasa eo
amin’i Madagasi­kara sy i Chine. “Misy tany 36 tapitrisa ha, azo hajariana amin’ny lafiny fambolena eto nefa 3 tapitrisa ha fotsiny hatreto no voajary. Ilana fiaraha-miasa izany, indrindra eo amin’ny fambolena vary safiotra mba hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo”, hoy izy. Naneho fa­havononana ho amin’izany ireo solombavambahoaka mi­isa fito voafidy avy any Maro­lambo, Fenerive Est, Ambato­finandrahana, Ihosy, Antalaha, Ankazoabo ary Fenoarivobe. Samy nanambara ny filana fiaraha-miasa avy amin’ny Sinoa any amin’ny distrika misy azy avy izy ireo, indrindra ny momba ireo tany azo volena sy ny lalam-barotra mankany Sina.
Nahaliana ireto delegasiona sinoa ireto izany ka nitondran’izy ireo fanazavana amin’ ny pitsopitsony rehetra amin’ny mety hisian’ny fiaraha-mi­asa. “Ilana hampahafantarina bebe kokoa amin’ireo mpandraraha sinoa ny firenena malagasy”, hoy izy ireo. Tsiahivina fa misehatra amin’ny lafiny sosialy sy ny fampandrosoana, indrindra ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny varotra, ny “China NGO Network for International Exchanges – CNIE”.

Synèse R.

Partager sur: