Nivoaka iny ny tatitra avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly. Mbola loha-lisitra hatrany ny avy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tontolon’ny fananan-tany kosa no nahazoana fitarainana be indrindra. Niavaka tamin’ity taona ity, nihena be ny fitoriana ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Toraka izany ny fahasalamana, izay nampikaikaika hatrizay.
Midika izany fa miroso tsikelikely amin’ny fanadiovana ilay fanjakana mahabe resaka. Iaraha- mahalala rahateo fa loha-lisitra amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fametrahana fanjakana tsara tantana. Iray amin’ny vina telon’ny Filohan’ny Repoblika izany. Ity farany izay sarotiny tokoa raha mahakasika io teboka iray io no lazaina.
Mbola mila hamafisina anefa ny fisorohana, indrindra eny anivon’ny asam-panjakana. Tena mbola maro ny tranga tokony hialana. Tena maharikoriko ny mahita sy miaina ilay hoe mametraha kely. Aiza dia hatramin’ny fanokafana varavarana na ny fametrahana fanontaniana dia misy sarany. Toa hafatra moana ireny petadrindrina milaza fa maimaimpoana ny asa rehetra.
Tsy ny fanasaziana no vahaolana fa ny fibeazana ny toe-tsaina. Tena fahalovana faobe miainga amin’ny fahapotehan’ny tsirairay ilay zava-misy eto Madagasikara. Efa tsy handairan’ny fampitandremana ny Malagasy. Mainka tsy mampihontsona azy ireo ny tsy fisian’ny Trondro vaventy. Modely ratsy ho an’ny fiarahamonina ilay fomba fiasa.
Misafidy ny nandray ilay volakely, azo harapaka eo no ho eo ny besinimaro. Tsy miraharaha izay havoakan’ny ampitso na fonja aza no miandry. Aleon-dreo tia tsolotra minia mikipy. Eo indrindra no ilana politika vaovao hiadiana amin’ny kolikoly. Fanabeazana miharo fanentana aloha. Tsy vitan’ny samy mihenjana ny famongorana ilay kolikoly fa mila fifampitaizana.
r.r