Fantina sy fintina

Hotanterahina any Toliary ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta, anio sy rahampitso. Efa nanaovana izany ny tany Toamasina sy ny tany Mahajanga ary izao hatao any Atsimon’ny Nosy izao indray. Hiara-dalana amin’izany ny fitokanan’ny filoha fotodrafitrasa samihafa any an-toerana.
Hifarana ny 15 mey izao ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Voahaja ny tetiandro voatondron’ny lalàna momba ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (Rale), ho an’ny taona 2024-2025, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. “Efa eo am-panontana printy ny lisitry ny mpifidy ny ceni amin’izao fotoana izao”, hoy izy ireo.
Noferana ho 20 ny isan’ireo mpikambana anatin’ny hetsika 72 nanatitra voninkazo tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey, omaly. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny faha-53 taonan’ny tolona 13 mey 1972 izany. Ma­no­didina ny 60 anefa ny isan’ireo mpikambana tonga teny an-toerana. Noraran’ny Emmo/Reg koa ny filanjana sorabaventy…
Nohitrikitrihin’ny HVM, Rakotovao Rivo, fa ny filoha mihitsy no mitarika io adihevitra mirefarefa amin’ny fanambaniana olona io. “Tsy mipetraka amin’ny toerana misy azy fa tena midina amin’ny toerana hafa ka mirefarefa sy mahamenatra ny fomba fanehoan-kevitra eto amin’ny firenena ataon’ireo mpitondra. Hadino ny fahorian’ny vahoaka”, hoy izy.

Partager sur: