Raikitra fa hotanterahina ny 24 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao, eto Madagasikara, ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball ho an’ ny faritra faha-7. Fihaonana natokana ho an’ny sokajy U17 sy U19, vehivavy, ihany ny amin’ity taona 2025 ity. Tsy misy afa-tsy firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’ izany dia i Madagasikara mpampiantrano, i Seychelles, Comores ary i La Réunion. Tsy ho avy i Maurice noho ny olana anatiny misy eo amin’ny federasionina maorisianina. Tsy ho anisan’ireo handray anjara ihany koa i Mayotte. Araka ny vaovao voaray, samy hanana solontena amin’ireo sokajy ireo avokoa ireo hifaninana.
Efa neken’ny federasionina iraisam-pirenena hiady ity anaram-boninahitra ity, ry zareo avy atsy La Réunion, nanomboka tamin’ny taon-dasa. Hisolo tena ny faritra faha-7 izay voalohany amin’ity ka hiatrika ny IHT Trophy kaontinantaly hatao any Tunisie, ny volana septambra, raha tsy misy ny fiovana. Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Akio de Madagascar, ankehitriny. Efa niatrika fampivondronana indroa izy ireo, izay natao tany Fianarantsoa sy Mahajanga ary hofaranana eto Antananarivo. Tsiahivina fa tompondaka tamin’ny taona 2023 ny Akio U17 sy U19. Ny hitazona io anaram-boninahitra io izany no tanjona.
Tompondaka