Indray mijery

Nasongadin’ny kolonely Faneva, lehiben’ny vondron-tafika zandarimaria ao amin’ny faritra Menabe, fa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa dia nanao ezaka lehibe tamin’ny fanarenana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsosialy tany an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ho an’ny tanora, anisan’izany ireo dahalo, no nahafahan’ny minisitera nanampy tamin’ny fametrahana fahaiza-manao ara-teknika amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Vinan’ny fitondram-panjakana ny fanarenana ny valan-javaboahary tsimbazaza (PBZT) ka ny komity iombonan’ny minisitera maromaro no hisahana ny fanarenana sy ny fanomanana ny fanamarihana ny faha-100 taona nisiany. Tafiditra ao anatin’ny fanarenana ny hetsika “Dio parc faobe” notanterahina ny herinandro lasa teo. Nitarika ny hetsika fanadiovana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Notsindrin’ny minisitra fa an’ny Malagasy ny PBZT, tsy amidy ary tsy hisy ny fanalana mpiasa.

Niforona ny taona 2015 ny filankevitra nasionaly ho an’ny fanabeazana mifototra amin’ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana maharitra. Rafitra iray fakan-kevitra sy mpandrindra ny asa rehetra mifandraika amin’ny tontolo iainana izy io. Misehatra amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana koa ho an’ny sehatra manara-drafitra (any an-tsekoly) sy ivelan’ny sekoly.

Partager sur: