Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandeha voakasiky ny sidina nofoanana, nilaza ny Madagascar Airlines fa efa fa nivoaka ny tetiandro hanonerana ireo vidina takapika. Nampahafantatra ny kaompania fa manana ny mari-bola ahafahana mamerina ireo vidina tapakila izy ankehitriny. Misy, araka izany, ny fandaharam-potoana hiantohana ny fizotry ny fangatahana. Efa manomboka amin’izao ka hifarana ny volana novambra 2025 ny fangatahana fanonerana teo anelanelan’ny ny 1 avrily 2022 ka hatramin’ny 31 aogositra 2024. Hovitaina hatramin’ny 31 mey kosa ny fangatahana nipetraka nanomboka ny 1 septambra 2024 ka hatramin’ny 16 marsa 2025. Nohamafisiny fa hovitaina ao anatin’ny 30 andro ireo famerenana ny vidina tapakila voaray nanomboka ny 17 marsa 2025. Marihina fa ireo tapakila misy kaody MD sy voakasiky ny fifanarahana ihany no hisitraka ny fanonerana, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny orinasa. Noho izany, horaisina araka ny filaharany ireo dosie ka miantso ny mpanjifa hanaja ny tetiandro napetraka ny kaompania. Tanjona ny hamerenana ny fahatokisan’ny mpanjifa ny kaompania Madagascar Airlines.
Henintsoa