Maevatanàna: lehilahy iray maty vaokaikitry ny alika

Lehilahy iray 47 taona namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny alika romotra nahazo azy, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Tsy tana teny an-dalana nitondrana azy teny anivon’ny hopitaly CHRR Maeva­tanàna ny ainy. Voakaikitry ny alika romotra tamin’ny volana febroary 2025 lasa teo ity farany fa tsy nety nankany amin’ny mpitsabo, raha ny nambaran’ny manodidina sy ny havany. Anton’izany, ny fahatahorany tsindrona. Efatra andro talohan’ny nahafatesany, niseho ireo trangana aretina hafahafa nahazo azy. Niha romotra izy, mitrerona, mitady zavatra ho kaikerina, sady mivoaka farora-bava fotsifotsy toy ireny alika romotra ireny. Nanapa-kevitra ny hitondra azy tany amin’ny mpitsabo ireo fianakaviana. Nentina teny anivon’ny CSB II Mahazoma izy fa nalefan’ny tao teny amin’ny hopitaly CHRR Maevatanàna avy hatrany noho ny hamafin’ny aretina. Saingy izao tsy tana izao intsony ny ainy. Hita sy tsikaritra nandritra ny fizahana ireo fisehoan’aretina vokatry ny haromotana, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nampandrenesina avokoa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny veterinera, any an-toerana. Nasaina nanao vaksiny avokoa ireo olona nifandray tamin’ity maty ity. Nokarohina sy novonoina ilay alika nanaikitra ity lehilahy ity. Hofongorina ireo alika mirenireny rehetra any an-toerana.
Tsiahivina fa vehivavy roa no voaikikitry ny alika romotra tetsy Tsararay Itaosy, ny 7 mey lasa teo. Tovovavy handeha hiantsena ny iray, izay voakaikitra teo amin’ny tongony. Zazavavy mpianatry ny EPP Ambohimandroso ny iray hafa, voakaikitra teo amin’ny fitombenany. Efa nalefan’ny ben’ny Tanàna notsaboina any amin’ny Institut Pasteur avy hatrany moa ireo naratra ireo. Mbola mitohy kosa ny famonoana alika mirenireny eny an-toerana hatramin’izao.

Mino

Partager sur: