Ho fanomanana ny CJSOI sy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, misy ny « Open Mat » na ny fanazarantena hiarahana isan’andro, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Eny amin’ny Dojo Saint Michel Amparibe sy ny Dojo Sainte Famille Mahamasina no hanaovana izany. Ny Cadets sy ny Juniors no voakasika amin’izany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja Judo, ho an’ny sokajy Poussins sy Benjamins. Klioba 14 no nandray anjara tamin’izany ary nisongadina sy tsy mbola lefy laza ny klioban’ny Essca izay nandrombaka medaly volamena 7, volafotsy 5 ary alimo 5.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa handray anjara amin’ny “Cosafa Cup 2025”, ny Barea de Madagascar A’, izay hiatrika ny Chan amin’ny volana aogositra ho avy io. Tsiahivina fa Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, no mpanazatra ny Barea Chan.
Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, any Mahajanga, ny andiany faharoa amin’ny “Festival Mazavaloha Beach Soccer”. Fifaninanana nasionaly izy ity, handraisan’ireo ligim-paritra anjara. Marihina fa ity indray vao nisy ny fifaninanam-pirenena mahakasika ny beach soccer.