Taratry ny kanto

Hisy ny lamesa ho fahatsiarovana an-dRandriamarana Jean de la Croix, na i Delacre. Hotontosaina ny alahady 18 mey izao, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Ekar Masina Maria Imakole, Ambanilalana Itaosy. Manasa ireo rehetra nahalala azy ny fianakaviana sy ny tarika Black Jacks.

Hiaka-tsehatra any Kenya ry The Dizzy Brains. Hotontosaina ny 4 jona izao io seho io, any Nairobi. Tafiditra anatin’ny fitetezam-pirenena, hampahafantaran-dry Eddy, Mahefa, Poun ary i Alban ny mozika rock malagasy voiziny izany.

Fahombiazana avokoa ireo seho rehetra notontosain’i Tovo J’Hay tany Frantsa. Nifarana ny faran’ny herinandro teo izany, na nisalotra ireo mpankafy any an-toerana, nanatrika ireo seho 10 mahery, nentina nanamarika ny faha-25 taonany an-tsehatra ity mpanakanto ity.

Handray ny “Vaky sehatra 2025» amin’ny ady hiragasy i Bevalala. Hifanandrina ny alahady 18 mey ho avy izao ry Rateloson Andohavary sy ry Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo, manomboka amin’ny 10 ora maraina.

Partager sur: