Namoaka tatitra ho an’ny taom-piasana 2024 ny eo anivon’ny Bianco. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maromaro ireo tomponandraikitra ambony nampidirina am-ponja.
“Tokony hisarika ny saintsika: manomboka any amin’ny tale hatrany amin’ny sekretera jeneraly, nisy 58 voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly tamin’ny 2024. 13 tamin’izy ireo no notanana vonjimaika am-ponja”. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, teny Anosy, omaly, nitatitra momba ny asa 2024. Ahitana ny sokajin’olona rehetra ny voasaringotra amin’ny raharaha kolikoly. Anisan’ny be indrindra ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominina: 223. Na ben’ny Tanàna io, na mpanolotsaina. Manaraka, ny mpiasam-panjakana eny anivon’ny Fanabeazam-pirenena: 153. Ny mpiasam-panjakana sisa: 853.
Miara-miasa amin’ny rafitra rehetra iadiana amin’ny kolikoly ny Bianco, indrindra
amin’ny rojom-pifandraisana amin’ny fampiharan-dalàna. Ny anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) izany: fampanoavana, mpanao famotorana, mpamoaka didy, mifarana any amin’ny Arai amin’ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny kolikoly na fandikan-dalàna. Nanao ny fandrakofana ara-potoana sy ara-toerana ny Bianco, raha vao momba ny fanodinkodinam-bola, fampidiram-bola tsy mazava… Tsy atahoran’ny olona ny famonjana. Ny fanagiazana ny fananany no tena maharary ny olona. Mazàna, te hanan-karena no mahatonga ny olona hanao kolikoly. Nahatratra 23,700 miliara Ar ny harena nanaovana fanagiazana tamin’ny taona 2024. Nampiavaka ny 2024 koa ny nahatrarana ireo tambajotra mpangalatra na mpanodina tany. Nisy 14 ireo tambajotra sarona. Maro ny mpiasam-panjakana isan’ambaratonga tafiditra tamin’izany.
R. Nd.