Chine-Madagasikara: nohamafisina ny fiaraha-miasa

Nandray ny solontena avy amin’ireo oniversité efatra any Chine: Shanghai Normal University, Xiangtan University, Université des Beau Arts de Chine ary Beijing University, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison. Teny Ankatso tamin’ity herinandro ity no nanatanterahina izany. Fivoriana mahakasika ny fiaraha-miasa akademika sy siantifika no tanjona ka hanamafy ny fifandraisana efa nisy. Voaresaka nandritra ny fihaonana ny fifanakalozana mpampianatra sy mpianatra ho an’ny roa tonta, ny fanomezana vatsim-pianarana ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny fikarohana iraisan’ny oniversite malagasy sy sinoa. Nankasitraka manokana ny hetsika nataon’ny foibem-pikarohana momba ny teny malagasy ao amin’ny oniversiten’i Beijing ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo. Mariky ny fitomboan’ny fankatoavana ny harem-pirenena sy ny kolontsaina malagasy izany, araka ny nambarany.
Ho fanohizana ny fiaraha-miasa, nanasa ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo handray anjara amin’ny « Forum mondial de l’état de droit » hotontosaina ny volana jolay ho avy izao ny Université de Human. Hetsika manome sehatra hitondra ny feon’ny oniversite afrikanina amin’ny adihevitra momba ny fitantanana sy ny fahamarinana.

Vonjy

Partager sur: