Fahafatesan’i Raissa kely: notanana vonjimaika am-ponja ny renibeny

Voatazona vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny reniben’­i Raissa kely sy ankizilahy roa tsy ampy taona. Zanaky ny iray tampo amin’ny rainy ny iray.

Notanana vonjimaika eny Antanimora ny reniben’i Raissa izay renin’ny rainy sy ny ankizilahy zanaky ny iray tampo amin’ny rainy, niampy ankizilahy iray hafa, omaly. Ahin’ny mpanao famotorana ho nandray anjara mivantana tamin’ny fahafatesan’io zazavavy 8 taona io ireo telo mianaka ireo. Ankizilahy 16 taona taizan’ny reniben’ny zaza sy ankizilahy mpifanerasera amin’ny fianakaviana ireo roa lahy ireo. Mampiahiahy ny ray aman-drenin’ny maty rahateo io ramatoa io. Nampiantrano mpianaka roa lahy tao an-tanàna io reniben’ny zaza io. Nambarany fa fianakavian’izy ireo ihany ireo olona roa, vahiny, ireo. Tetsy ankilany, tsy nahalala ny mombamomba sy ny rohim-pihavanana amin’ireo olona roa ireo ny ray aman-drenin’ny zaza. Nifa­nindry an-dalana tamin’ny fotoana tsy nahitana an’i Raissa rahateo ny tsy fahitana intsony ireo mpianaka roa lahy voalaza ireo. Mpi­tran­draka vato sarobidy avy any amin’ny distrikan’Ankazobe izy mirahalahy mianaka, araka ny loharanom-baovao. Mana­na ahiahy amin’ny mety ho nanaovan’izy ireo sorona ny zaza ny fianakaviana lasibatra.

Valifaty
Mipetraka ho baraingo ho an’ ny mpanara-baovao ny momba ny fisian’ny taratasy talohan’ny nahitana an’ilay zaza. “Tontosa ny valifaty”, hoy io taratasy io izay nirakitra ny toerana nanitrihan’ireo tsy mataho-tody ny vatana mangatsiakan’ilay zazavavy. Maneho trangan-javatra tsy mazava ny fisian’ny lahatsoratra tamin’ilay sombin-taratasy. “Mbola hamono olona roa izahay”, hoy ny voalaza. Mitohy ny fanadihadiana lalina ataon’ny polisim-pirenena misahana ny fikarohana heloka bevava sy ny mpiara-miasa amin’izy ireo. Ny lehiben’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona, izay nanamafy fa tsy hilefitra manoloana ireo mpamono olona. Marihina, notanterahina omaly ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Raissa kely.

Tsiferana R.

Partager sur: