Nampahafantarina tany Abidjan (Côte d’Ivoire), ny 12 hatramin’ny 13 mey lasa teo, ny fametrahana hetsika iray hampitomboana ny vola ampiasaina hamongorana ny aretina tazo aty Afrika. « Les voix essentielles » no anarana nomena ny hetsika hitadiavana vola hatramin’ny 4 tapitrisa dolara hatramin’ny taona 2030. Hiadiana amin’ny aretina tazo andraisan’ny vehivavy sy ny vondron’olona ifotony anjara izany. «Mila loharanom-bola vaovao hafa hamatsiana ny famongorana ny aretina tazo aty Afrika ka iray amin’ireny ny sehatra tsy miankina. Afaka mamokatra bebe kokoa ny vahoaka salama», hoy ny minisitry ny Fahasalamana ivoarianina, Pieer N’gouDimba.
Tena mizaka ny voka-dratsin’ny aretina tazo ny vehivavy sy ny tovovavy nefa tsy manana solontena ao anatin’ny olona manapa-kevitra momba ny famatsiana ny asa iadiana amin’ny aretina. Ny vehivavy anefa no mpitarika ny fampandrosoana eny anivon’ny fiarahamonina aty Afrika. Miteraka tombony 60 dolara ho an’ny toekarena ny vola 1 dolara atokana hiadiana amin’ny aretina tazo.
Mametraka ny tahiry maneran-tany fahavalo hiadiana amin’ny aretina tazo ny tomponandraikitra amin’izao fotoana. Kihon-dalana ity taona ity hanetsehana ny rafitra rehetra handray anjara. Nandritra ny fivoriana Africa CEO forum no nampahafantarana ity hetsika ity, niaraka amin’ny Speak Up Africa, parternariat RBM, Alliance des leaders africains contre le paludisme (Alma) sy ny Malaria No More UK.
Vonjy