Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy ary iray hafa azo sambo-belona tao amin’ny fokontany Andranomadio, kaominina Toamasina, ny alin’ny 13 mey lasa teo. Nikononkonona fanafihana ireo olon-dratsy ireo. Naharay loharanom-baovao momba izany ny mpitandro filaminana ka nidina ifotony. Ravan’ny Fip ny teti-dratsin’ireo mpanao ratsy. Namoaka fitaovam-piadiana, nifampitifitra tamin’ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo. Vokany, lavon’ny bala ny roa tamin’ireo jiolahy. Ankoatra ireo, lehilahy iray hafa naman’ireo mpanao fanafihana voasambotra. Nahatrarana fitaovam-piadiana roa, niampy bala izy ireo. Talohan’io fifampitifirana ny alin’ny 13 mey io, voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray naman’ireo jiolahy. Fantatra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantranon’ny polisy iray, ny alin’ny 20 febroary lasa teo, ireo olon-dratsy ireo. Tovolahy iray namoy ny ainy nandritra io fanafihana tao amin’ny fokontany Andranomadio io ary naratra ny rainy izay polisy. Nanohy ny fikarohana ny mpitandro filaminana ka izao nahatratra ny jiolahy tompon’antoka izao.
Sajo/Tsiferana R.