Fanamafisana fiaraha-miasa: hanome fiofanana ny Tafika Malagasy ny firenena egyptianina

Nanatanteraka fitsidihana tany Egypta, ny 10 ka hatramin’ny 13 mey 2025 lasa teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Monja Delphin. Nandray azy tamin’ny fomba manetriketrika tao Le Caire, ny minisitry ny Fiarovana egyptianina, ny Jly Zaki Mohamed.

Niompana tamin’ny fa­na­tsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Ma­dagasikara sy Egypte ny dinika nisy teo amin’ireto ma­nam­bo­ninahitra jeneraly ireto. Naneho ny fahavono­nany ny minisitra egyptianina hanohana ny Folo­alindahy Malagasy. Ao anatin’ ny fifanohanan’ny tany samy eo anivon’ny kaontinanta afrika­nina ka miara-miatrika ny am­bana misy maneran-tany. Nisy ny fan­­gatahana manokana nataon’ny MFA amin’ny fiofanan’ny sampana fitsikilovana mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-potoana sy hiarovana ny harena ary ny trafika rehetra. Namaly ny mi­nisitra egyptianina fa hampitomboina manokana ny fiofanana momba izany amin’ ny fiaraha-miasa misy eo amin’ ny Tafika Mala­gasy sy ny Tafika egyptianina. Nankatoavin’ny minisitry ny Fiarovana egyp­tianina ny fampitomboana ny isan’ireo miaramila malagasy hanaraka fiofanana any Egypta. Handefa mpampiofana aty Ma­dagasi­kara ihany koa izy ireo ho fanampin’izany. Tao­rian’ny fi­haonana, nisy ny fitsidihana ireo orinasa miaramila mpanamboatra fitaovam-piadiana, toy ny basy sy bala, nataon’ny MFA niaraka tamin’ireo delegasionina notarihiny. Nisy koa ny fitsidihany ny « Arab Organi­sa­tion for Industry » izay vondrona mamokatra fitaovana ho amin’ ny fiarovana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta. Nitsidika ny orinasa miaramila « TemSah », mpamokatra fiara mifono vy koa izy ireo ary namarana ny fi­tsi­dihana ny ivontoerana mpamokatra sy mpivarotra fanamiana miaramila. « Tanjona amin’izao fitsidihana izao, ny hanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta mba hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy ka hahafahany miatrika ireo iraka sahaniny amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany », hoy ny MFA.

Jean Claude

Partager sur: