Fandriampahalemana: nanao bemidina ny polisy

Nirotsaka an-tsehatra nanara-maso ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena mba hahafahana mitondra fanatsarana sy fanamafisana ny ezaka efa vita. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de police, Rako­to­zanany Dany Marius, tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony tamin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana, ny 12 mey lasa teo. Tao amin’ny fari-piadidian’ny kaomisarian’ Isotry no nanombohana ny fidinana ifotony ka anisan’izany ny teny Antohomadinika IVO sy Ambodinisotry. Nitohy tao amin’ ny fari-piadidian’ny kaomisarian’i 67 Ha sy tao amin’ny Kao­misarian’i Mahamasina izany. Nisy, araka izany, ny fihaonan’ izy ireo tamin’ireo sefo fokontany sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fifandraisana amin’ny polisim-pirenena, toy ny fampilazana avy hatrany raha misy olona mampiahiahy eo anivon’ny fiarahamonina. Nisy koa ny toromarika amin’ny hanamafisana ny paikady mba hisian’ny fandriampahalemana amin’ireo faritra mena amin’ny asan-jiolahy.

Jean Claude

Partager sur: