« Festival Riziky »: hitiliana ireo manan-talenta mila tosika

Maro ny manan-talenta, fa tsy manana fahafahana. Mitodika amin’izy ireo ny Live Prod sy ny Yas Madagascar, hanome sehatra hiakarany amin’ny ambony kokoa.

Zara raha misy 10 isan-jato amin’ireo manan-talenta amin’ny mozika eto Madagasikara ireo malaza amin’izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana fa misy mpanakanto tokony homena vintana hiakarany no nahateraka ny « Festival Riziky ». « Ireo mpanakanto manana ny fahafahana mandray feo ny hirany, manao rakitsary ary mandefa izany amin’ny haino aman-jery ihany no miaka-daza eto amintsika. Amin’ny maha mpikarakara fampisehoana ma­nerana an’i Madagasikara anay no nahatsapana fa misy ary maro ireo manan-talenta mihoatra lavitra noho ireo efa malaza ireo, saingy tsy manana izay fahafahana izay. Hanome izay vintana izay ho azy ireny ny hetsika », hoy ny nambaran’i Tantely Ralala­rison, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Live Prod, mpikarakara ny « Festival Riziky », nandritra ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy Anala­kely.
« Riziky », maneho indrindra ilay « vintana », ilay « fa­hafahana ». Ireo any amin’ny faritra avaratry ny Nosy no tsara vintana voalohany, handray ny « Festival Rizi­ky » : Nosy Be, Ambanja, Ambilobe, Antsiranana ary Sambava. Hizara ho dingana telo izany, ka hifandimby amin’ireo toerana ireo ny voalohany, ny 4 hatramin’ny 6 jona izao. Ny 4 hatramin’ny 6 jolay kosa ny andiany faharoa ary ny 15 hatramin’ny 17 aogositra ny dingana farany. Haka endrika fampisehoana goavana kanefa maimaimpoana avokoa ireo. Hifankazaran’ireo mpanakanto amin’ny sehatra goavana andaniny, fa ho fizarana sy fampitiavana ny sanganasany amin’ireo mpankafy koa, ankilany.
Miara-dia amin’ny « Festi­val Riziky » ny Yas Madagas­car, ho fitrandrahana ireo talenta vao ireo. Hiara-hitily amin’ny Live Prod, ary hanohana izay heverina fa mahafeno ny fepetra izy ireo, amin’ny tohin’ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika. « Ny hakanton’ny sanganasa, ny fahamatorana ary ny hafatra anatin’ny tononkira no anisan’ny ma­sontsivana hojerenay akaiky. Tsy ny hira ihany fa ny dihy ihany koa. Iaraha-miasa amin’ireo mpiasan’ny haino aman-jery isaky ny faritra holalovana izany. Tsy manavaka hira sy gadon-kira anefa, satria misy ireo nentim-paharazana mety izay vao hivoaka ny faritra misy azy. Misy koa anefa ireo hira ankehitriny, hanehoan’ireo tanora ny fa­moronana mampiavaka azyamin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny nambaran’ny mpikarakara.

Zo ny Aina

Partager sur: