Fiainam-pikambanana: isehoana disadisa ny Fitefato

Isehoana olana ny fikambanan’ny zanaka Toliara monina sy mipetraka eto Toamasina, (Fitefato) taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitantanan’ny filoha teo aloha. Tokony hifandimbiasan’ireo disitrika sy faritra efatra mandrafitra ny faritanin’ i Toliara, isaky ny roa taona ny fitantanana, araka ny fitsipika anatiny. Nisehoana fifanenjanana sy fifanaratsiana teny an-tambajotran-tserasera anefa ny filoha vaovao, avy amin’ny foko Antandroy.
Nampiaka-peo ny fikambanan-drazana Antandroy, omaly, tetsy amin’ny toerana anoloan’ny tsangambaton’ny maherifo 1947, amin’ny ambara fa endrika fanilikilihana an’ i Petera Monja. Nohamafi­sin’ireo vatan-dehilahy efa anjatony nanatrika ny fivoriana fa tsy nanolotena i Monja Petera na i Monja Vy. “Izahay Antandroy no nanolotra azy hitantana ny fikambanana, hifandimbiasana”, hoy i Ma­nan­tsoa Simon. Noha­mafisin’ity mpitondra teny fa tsy hanaiky izy ireo. Ani­san’izany ny tanàna mandrafitra ny maha Antandroy, toy ny avy Befihamy, Tsivory, Belo, Ifotaky, Amboasary, Ambo­vombe,Antanimora, Andalata­no­sy,Ampamata, Ambon­dro,Tsihombe, Beloha, Bekily, Antragnoroe, Zambefan­dropotsy. “Anaovanay antso ho anareo mpitarika ny fikambanana foko Antandroy sy zanaka faritanin’ i Toliara ao Antananarivo izany”, hoy izy ireo.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: